Hankany amin'ny vontoatiny

Zecharia Sitchin

Avy amin'i Wikipedia

I Zecharia Sitchin dia mpanoratra amerikana manam-piaviana sôvietika. Ny teôriany, mampifangaro ny neô-evhemerisma sy ny fikendrena marani-tsaina (intelligent design) amin' ny karazana avy any ivelan' ny Tany, dia heverin' ny mpahay siansa sy mpahay tantara ho pseodôsiantifika (sarintsarina siansa). Nalaza eran-tany noho ny asa sorany izy. Mpandraharaha sy mpiasa tao amin' ny Mossad koa izy. Teraka tamin' ny 11 Jolay 1920 tao Baku izy ary maty tamin' ny 9 Oktobra 2010 tao New York.

Zotram-piainany

[hanova | hanova ny fango]

I Zecharia Sitchin dia teraka tamin' ny 11 Jolay 1920, tao Baku (RSS Azerbaijana, Firaisana Sôvietika) tao amin' ny fianakaviana jiosy izy, saingy nifindra monina any Palestina ka tao izy dia liana tamin' ny arkeôlôjian' ny Atsinanana Afovoany. Nianatra tao amin' ny London School of Economics and Political Science izy ary avy eo dia nahazo diplôma momba ny toekarena tao amin' ny Oniversiten' i Londres. Nifindra tany New York izy tamin' ny taona 1952, rehefa avy niasa ho mpamoaka lahatsoratra sy mpanao gazety tany Israely.

Tamin' ny taona 1976 izy dia namoaka ny Ilay Planeta Faha-12, izay nampalaza azy. Ny bokiny rehetra dia nadika amin' ny fiteny am-polony ary namidy tamin' ny kopia an-tapitrisany maro, na dia teo aza ny toetra tsy tena matotra ao amin' ny tsangan-kevitra novolavolainy.

Hatramin' ny nahafatesany, i Janet Sitchin, zanaky ny iray tampo aminy, dia nanitsy boky avy amin' ny fitsongana lahatsoratra avy amin' ny Tantaran' ny Mponin' ny Tany izay nohatevenniny amin' ny taratasy sy lahatsoratra ary valandresaka izay mbola tsy navoaka talohan' io.

Rijan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]

Ny Annunaki

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny bokiny, i Zecharia Sitchin dia manolotra ny petra-kevitra momba ny niandohan' ny olombelona, ​​mifototra amin' ny fahazoany manokana (sady iadian' ny manam-pahaizana hevitra) ny hevitry ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika nosoratana talohan' ny vanim-potoana babilôniana. Nolazainy fa ny namorona ny olombelona dia ny anunnaki, andriamanitra someriana, izay nasehony fa zavamananaina avy any ivelan' ny Tany, izay tonga teto amin' ny Tany nandritra ny vanim-potoana talohan' ny tantara ary nasandratry ny olombelona ho andriamanitra tany am-boalohany. I Mezôpôtamia, hoy izy, no faritra voalohany nozanahin' ireo mpitsidika avy any amin' ny habakabaka ireo.

Ny anunnaki no namorona ny Homo sapiens tamin' ny fampivadiany ny fototarazony tamin' ny an' ny Homo erectus, ary avy eo dia nampiasa azy ireo ho andevo natao hitrandraka akora fanodina (volamena indrindraindrindra) ilaina mba hiarovana ny atmôsferan' i Nibiru, planeta nonenan' izy ireo, izay tandindomin-doza tamin' izany fotoana izany.

Satria ny 98 % amin' ny fototarazon' ny olombelona dia hita ao amin' ny rajako simpanje, dia azo atao ny manontany tena hoe aiza ireo fototarazo avy amin' ny annunaki ireo.

Ireo petra-kevitra ireo dia noraisin' ny boky nosoratan' ilay Anglisy atao hoe David Icke momba ny firahalahiana babilôniana, saingy, tsy toa azy i Sitchin fa tsy mihevitra ny anunnaki ho manana fiaviana reptiliana (mitovitovy amin' ny androngo na bibilava). Ilay Frantsay atao hoe Anton Parks dia mamariparitra ny fototarazon' ny anunnaki ho reptiliana ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Ny Tsiambaratelon' ny Kintana Maizina.

Ny iray amin' ny petra-kevitr' i Sitchin dia mamerina mijery ny fedrà momba an' i Losifera, ilay anjely mpikomy izay sahy nanatona ny olombelona na dia teo aza ny fandraran' Andriamanitra. Raha ny marina dia anunnaki mpivadika izy io, angamba i Enki, izay tsy nahatanty ny fiheverana fa karazana natao handevozina fotsiny ny olombelona.

Ny Planeta X

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Ny Planeta faha-12, izy dia manolotra fandikana ny hevitry ny ampahany amin' ny angano fahiny, Ny Tantaran' ny Famoronana, hita tao amin' ny sisam-paharavan' ny tranombokin' i Ashurbanipal any Ninive. Tsy ady an' ohatra any an-danitra eo amin' ny samy andriamanitra no fahazoany azy, fa zava-nitranga astrônômika tena nisy, ka ny andriamanitra tsirairay dia maneho planeta iray, noho izy nahatsikaritra fa planeta tsy fantatra no voalaza fa i Tiamat.

Nohazavainy fa nisy fifandonana teo amin' ny planeta ranoka goavam-be Tiamat sy i Kingou, satelita iray an' i Nibiru izay planeta goavam-be, of antsoina koa hoe Marduk koa. Voatapaka roa i Tiamat: ny tapany iray lasa Tany, ary ny iray hafa, izay nopotehina, dia lasa Fehikibo Asterôida. Niditra tao amin' ny ôrbitan' ny Tany i Kingou ary lasa Volana. Satria boribory lavalava ny endriky ny ôrbitan' i Nibiru dia tsy mandalo eo akaikin' ny Tany izy raha tsy isaky ny 3 600 taona, ka miteraka korontana sy faharavana lehibe isaky ny miseho izany.

Izany teôria izany dia lavin' ny fiarahamonina siantifika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]