Kôreana
Fiseho

Ny Kôreana dia vondrom-poko aziatika tatsinanana any amin' ny Saikinosy Kôreana sy any amin' ny ilany atsimon' i Manchuria. Ny ankamaroan' ny mponina dia any Kôrea Avaratra sy any Kôrea Atsimo. Any Kôrea Atsimo, ny teny hoe Joseon, izay nilazana ny Kôreana taloha, dia tsy nampiasaina nanomboka tamin' ny taona 1950.
Mahaforona fokon' ny vitsy anisa manan-danja maromaro ny Kôreana, indrindra fa any Sina, any ampitan' ny sisin-tanin' i Kôrea Avaratra, izay ekena ho olom-pirenena vitsy anisa; any Japôna izay ananan' izy ireo zo manokana; ao amin' ny Krain' i Primorsky, indrindra ireo voatery nifindra monina tany Azia Afovoany ary indraindray antsoina hoe Gôrieôina na Kôriô-sarama; any Kazakstana sy any Siberia (Rosia).